<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Sakaiza, raha tia FFPM653</title>
<lyrics>[V1]
 Sakaiza, raha tia
 Ny Tompo Hianao,
 Faingàna ka avia
 Hanaraka Azy izao !
 O, mba tsarovinao
 Fa Izy tsy nifaly,
 Naleony nijaly
 Mba hamonjena anao.

[V2]
 Fanahy, mahereza,
 Efao ny adinao,
 Fa làlana mideza
 No hiakaranao ;
 Ny zava-tsoa atý
 Dia zavatra mandala ;
 Tsy azom-pahavalo
 Ny lovanao arý.

[V3]
 Ry Tompo manomeza
 Anay ny herinao ;
 Finoana mateza
 Mba atolorinao;
 Mba hanarahanay
 Ny lalam-pamonjena.
 Hahita Anao mitsena
 Anay rahatrizay.</lyrics>
<hymn_number>653</hymn_number>
<author>Nic. Herman</author>
</song>